Tanamasoandro (Nosy Malala)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanamasoandro,

Teo amoron-tsahakatsaka,
Indro enao tazako niavaka.
Tokana amoron-dalana,
Azafady ombay lalana....

Toa tsy nandry izany saina,
Niverina, nitaitaina.
Hanadihady ? Toa tsy sahy,
Sao  miavonam-panahy ?

Nitafy  hery ihany,
Tsy nihafahafa nanontany.
Hoe maninona eo Ianao ?
Diso toerana angaha, no irery toy izao ?

Tamin' endrika sariaka,
Felam-bonikazo mibalika.
Ilay feo nibitsika  namaly,
"Eto ny ahy no misy mamy".

Dia gina aho, ka tsy nahateny,
F'aiza ny dada sy ny Neny ?
Namela anao irery eto,
Hoy ity feo narahantsento !

Iza moa Ianao ? no be fanontaniana,
Misahirana ery, andraso ary ho valíana.
Lavitr' havana aho, lehibe irery teto.
Na dia tsy mitovy, amin'ireto katsaka ireto.

Fa nanampaharetana sady be fitiavana....
Feno herimpo, nihary tsy antaninkavana !
Izany no niainan'ity Tanamasoandro.
Tsy ho adinoina,  tsaroina Isan'andro.

Rehefa injay aho, saika hanohy ny día,
Dia nidoboka ny foko, toa raiki-pitia.
Atao ahoana anefa, ny hiaina antsahakatsaka.
Toy Tanamasoandro, misandratra sy miavaka...

Nosy Malala
Oktobra 2022
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/nosy-malala/tanamasoandro
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 11/10/2022 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.7447