Tokiko, (Nosy Malala)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokiko,

Tokiko Ianao, tsy misy ahiahy,
Ny fiainako ety, Ianao no miahy .
'reo fahotana, na koa ny hakiviana,
Efa nentinao teo amin'ny hazo fijaliana.

Raha malokila, izato masoandro,
antsoina ianao, maraina sy atoandro,
Iza indray moa, no hitokina mihoatra anao.
Mpandresy sy nahary izao tontolo izao.

Misy ireo fotoana, andalovana ady mafy,
Mila ho resy, dia antsoina Ianao hanampy ?
Ilay fahafaha-misafidy, izay nomenao ahy,
Ampiasaina amin'ny tsara día ravo ny fanahy.

Tokiko Ianao, anio sy ho mandrakizay,
Ametrahako tanteraka ny faripiainanay.
Na andrompifaliana na andro mahonena,
Tsy miala aminao, f' efa vita fanekena.

Nosy Malala
Oktobra 2022
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/nosy-malala/tokiko
284 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 28/10/2022 10:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3153