Tsy ampy sira (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ampy sira,

Nifoha maraina ramatoa,
Namonjy tsena nividy akoho.
Rehefa niverina avy tany,
Dia namolo avy hatrany.

Novonjena koa ny ankizy,
I Lita midongy sy be kirizy.
Fara kosa toa mafampana,
Ka naleo nijanona teo antanana.

Voavolo ny akoho dia nandrahoana,
Avy eo indray, nanoto vary amin'ny laona.
Namafa- trano sy nanasa lamba,
Tiany ho vita daholo, talentany angamba.

Tafavory daholo ny fianakaviana,
Avy niasa, avy nianatra, dia samy liana.
Oadray, tsy ampy sira izy izany....
Efa zatra mitsara, no nandoatra ihany.

Izato vary toa  be vato koa !
Inona angaha no nataonao ramatoa ?
Ilay fanantenana, hihinana finaritra,
Tsy mahay mankasitraka, ka sarosarotra.

"Neny anie tsy nipetraka hatrin'ny maraina,
Izaho manavy, tsy nitsaha nitaraina,
Raha ny rariny dia tokony hisaotra isika,
Mianatra mankasitraka izay  zava-bita" .

Misaotra manoro hevitra, rafaravavy,
Aleo ny sira, hoy dada "Za no haka azy".
Dia niara nipetraka, niaraka nihinana,
Avy eo niara nandamina sy  nifamihana.

Nosy Malala
Novambra 2021

.
--------
Rohy:
686 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147