ASOLO (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asolo,

Raha ny asa no atao solona kabary,
Angamba dia hamokatra be ny vary.
Raha fankaherezana no asolo fialonana,
Angamba dia hitobaka ny vahaolana.

Raha tsiky no atao solon'avonavona,
Ny rahona manaloka, vetivety dia hanjavona.
Raha ny fanandratana no asolo fanambaniana,
Angamba tsy ho omby tratra ny hafaliana.

Raha fankasitrahana no asolo tsiny,
Angamba mety ho foana ireo ady ady fahiny.
Raha ny fijoroana no asetry ny fanjakazakana,
Ny mpametsifetsy ho lasa lavitra ny tanĂ na.

Raha ny marina no asolo lainga,
Dia hifampatoky ireo havana amantsakaiza.
Raha ny fahamarinana no asolo fanararaotana,
Ny fitsetsefana rehetra, efa ela no nilaozana...

Nosy Malala
Jolay 2021
--------
Rohy:
483 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121