Mahay mionona - Rahira
Azo vakiana?
Mahay mionona
Maditra ny foko raha toa ka tsy honona
fa hitampify amin'ny hazo nandratra.
Sahaza ho azy ny teny natao
Ampy hampangina ny maso tsy nierika
antsoin'ny vava efa vizan-talaho.
Maditra ny foko raha mboka hitroatra
hitady sakaiza efa lasa sy dify
Adala ny foko raha toa ka hikasa
hiantso ilay ora efa nankarary
Ezahana ekena f'izao aloha no misy
Mbola hiresin'ny taratra avo
ny aizina noentin'ny andro efa omaly.
Sokajy :
Eritreritra
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rahira

Nampiditra : nyakosombinaina
Daty : 15/09/2017
Mpamangy : 705
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Sary sy tenyPoeta maratra
Sary vitsivitsy
Iny angamba sisa
Ny Embona
Ny Diary
Ianao ilay poety
Mangina
Diso ve izaho?
Habaky ny vetso