Ny Diary (Rahira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Diary
Efa norovitiko tsy ho isan'ny pejy atao anatin'ny diarim-poko ilay pejy mainty nitahirizako ratra sy nilatsahan'ny ranomason-tsento.
Fa aleoko lavitra mahita azy ho rotidrotehin'ny fanantenana sy ho viravirain'ny andro tsy manan-tsiny toy izay:hanenjika hatrany ny feon'ny fieritreretako izay efa trotraky ny adin-tsina maro sy ny tsiahy mateti-pihavy,
izay mazàna izay ireny mivimbina tadidy mandondona fo am-baravaram-poko,ka mamoha indray ireo fahatsiarovana efa sondriantory norotsirotsian'ny fiainam-baovao.
Any ianao ka any,ny fiverenanao tsy haiko fa ny tokana atao an-tsaiko dia:hiposaka atao an-tsaiko ilay masoandrom-pifaliana fa efa mangiran-dratsy sy efa somambisamby ny maraim-baovaon'ny tsikitsiky lava.
Saingy raha nisy ny maraina dia
hisy indray ve ny hariva?
(Sombin-tsoratra)
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1020 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 22/07/2017 06:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096