You are here: home > Vetso

Ny Embona - Rahira

Azo vakiana?

                             Ny Embona
     Manomboka mitsidika ny efitro mangina ny tara-pahazavan'ny volana baliaka.Injany fa mikalo ny hirahira manga ny foko adaladala fa...lavitr'olontiana.Saika niova ho tomany fa noferan'ireo dina efa nifanaovan-teto.
    Dia mipitrapitra irery raha manjohy ity takariva toa tony dia tony.Nanjary toa tsy reko ny tsiron-diavolana niaraha-nankamamy rehefa tahak'izao.
    Fa tsy avelan'ny tontolo tsy ho tadidy nefa ianao fa:mitendry ireny hira niaraha-nankafy ireny kintana manjelatra;ary miantsa tononklao niarahana nitia ilay tso-drivotra malefaka.
    Ny hany sisa azo atao dia aleoko miandry anao eo an-tsisin-dala-nofy,ka hiandry eto aho anio na handalo ianao na tsia .
(Sombin-tsoratra)

Sokajy : Embona

Hametraka hevitra

Midira aloha