You are here: home > Vetso

Sary sy teny - Rahira

Azo vakiana?

Sary sy teny

Injao manako mora
feon-kira eny ho eny,
manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny.

Ny fon'ireo poeta
no injao fa re miaina,
mandrotsy ny fanahy,
mandrotsirotsy saina.

Dia kanto sady manja
ny fofon-drivo-manitra.
Feno vovo-kintana
miraraka eny an-danitra.

Injao manako mora
feon-kira eny ho eny .
Manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny  

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha