Sary sy teny - Rahira
Azo vakiana?
Sary sy teny
Injao manako mora
feon-kira eny ho eny,
manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny.
Ny fon'ireo poeta
no injao fa re miaina,
mandrotsy ny fanahy,
mandrotsirotsy saina.
Dia kanto sady manja
ny fofon-drivo-manitra.
Feno vovo-kintana
miraraka eny an-danitra.
Injao manako mora
feon-kira eny ho eny .
Manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rahira

Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 20/03/2018
Mpamangy : 622
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Poeta maratraMahay mionona
Sary vitsivitsy
Iny angamba sisa
Ny Embona
Ny Diary
Ianao ilay poety
Mangina
Diso ve izaho?
Habaky ny vetso