AZO... Azonao (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZO...

Azonao tiavina aho raha izay no sitrakao
Azo atao malala dia azo atao ianao
Azonao hirana aho dia azo koa antsaina
Afaka tiavina dia azo koa roraina

Aza dia dokafana ny zavatra izay vitaiko
Aza hangalarina izay rehetra hitako
Aza dia bedesina aho amin'ny hadisoko
Aleo hitepo miadana ny doboky ny foko

Azonao hahitsy ny soratra fiangaliko
Azonao ho sainina ny sombin-tononkaloko
Afaka hiavonana aho afaka ho kizitina
Azonao rahonana aho azo tsiriritina

Aza dia tiavina aho raha mbola hananan-drafy
Aza dia harodana ny rindrim-poko mafy
Aza dia hiraina aho raha anaty feo mivalana
Aza dia tampenana rindrim-baravarana
Fa foana hatreo ny lalako...

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
419 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148