FAHALEOVANTENA Ady mafa (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHALEOVANTENA

Ady mafaitra,nandremby ny aina
No nahazahoana ity fahaleovantena
Koa tandrovy lahy tsy ho very maina
Fa manankasina ity firenena

Fa ny fahaleovantena tsy ho fahaleovantena
Raha tsy tojo tao ny fahafahana
Ilay fahafahana mba hahaleo tena
No hijanonan'ilay fanjanahana

Ady sy tifitra tamin'ny basy
Kiaka olo-maro sy rà menamena
Ny tanjona tsotra ry ilay Malagasy
Mba hahazahoana ny fahaleovantena

Inana no nandova izay azony tany
ka miasa ho an'ity firenena
Ny fanjanahana afakao izany
Azon' ise izao ny fahaleovantena

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1020 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099