HAMPIANARO AHO Tompo ô! (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMPIANARO AHO

Tompo ô!
Hampianaro aho hangina
Tsy hilazalaza mihitsy ny marina izay fatatro
Mantsy raha ny fitoviana!
Lasa heloka sy ota ho tonga hanenika ny vatako
raha hiteny aho fa tsy hangina
Tompo ô!
Hampianaro aho tsy hanameloka
Ny zava-dratsy izay kononony
Nefa kosa anie ry Tompo miarihary tsisy fonony e!
Dia ho tsiniko ary ve?

Hampianaro aho re ry Tompo!
Tsy ho be fiangavy anao
Ary ekeo ho fandavana
Raha be fangataka any!
Tompo ô!
Hampianaro aho hitia
Fa zava-poana izay ilaiko raha tsy ananako izany!

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
643 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258