JAMALA (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... JAMALA ...

Sakaizan'ny molon'ny mboto
Nahamenan'ny mason'i Ikoto
Ny vovony no nohorofony
Mbola nampiany fonosany

Tontolo hafa hono no hiainany e!
Tontolo any ivelan'ny tany
Nietry ny fotom-pisainany
Nangina ilay saika tomany

Dia izaho indray no endrikendrehiny e!
Lazainy mifoka jamala
Nefa ny tsy mba niarehany
Tsy aiko ny tsiron-tsigara

Ny tavan'i Ikoto mibonaka
Ny setroka mbola nadonaka
Jamala io izao no dorohana
Ny "ambero" etsy mbola bobohana

Lanin'ialahy io ny raviny
Voatelin'ialahy koa ny voaniny
Parasy mipitika,laviny!
Lazainy fa biby amin'ny taoniny

Io no aferan'ny ngetroka
Mahatonga azy hanana drala
Zavatra hadonaka setroka ho'aho
"Raràna ny mifako jamala"

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
677 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104