MILOFO IANAO Mahantra a (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILOFO IANAO

Mahantra aho ry sombin'aiko
Mahantra anie ny dadanao e!
Mahantra koa anie i mama
Ny hantanao tsy hoe tsy hilaiko
Fa i dada mbola lanaka
Mbola avy nikarama...!

Mianara tsara ianao re anaka!
Fa ianao no ho reharehany
Mba hanaisotra ity jaly
Hiforetany amin'izany
Fa hirifiriny izao!!!

Aza mihitsy ianao maditra na ho tojo jiolahimboto
Fa mba hendre tsara ianao ry zanako
Fa tena tiako anie ianao
Ilay hany tokana ho fananako

Tiava ianao fianarana
Fa izahay ity efa ho osa
Miandrandra fahasambarana
Mba ho hasetrinao ilay Fitiavanay
Hanafaka ity olana
Ka milofo ry zanako

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
999 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011