MITSIRIRITRA IHANY!! Az (Ny Aloka Tarabolana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITSIRIRITRA IHANY!!

Aza variana amin'ny bika sy ny endriny... Fa mody namboarina! Tsy fantatrao mantsy izay tena tinendriny
Fa sarom~patarina ...

Aza dia iny no ataonao manaitra
Fa mijaly eo ianao! Antsafatsafainy
D'efa eo taitra hnn! Marary eo ianao an!! ...

Raha izaho aloha ianao dia manidy vavahady
Tsy manokam-po amin'olo-miserana
Iny anie ka efa manam-bady e!
Na dia hoe tonga lafatra sy fanamperana

Na kanto tanteraka aza izy izay
Na hoe tonga lafatra koa ny hatsarany
Ny miaraka amin'ny tsy mba iray
Dia izao no ataovy hoe:mitsiriritra ihany!

Hafatra kely mba omena anao
Raha misy ny zavatra hirinao any
Kanefa tsy tompony akory ianao dia...
Izao no tsarovy hoe "mitsiriritra ihany"

NY ALOKA TARABOLANA
--------
Rohy:
1052 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146