TOKAN-TENA Ny sigara izao - Ny Aloka Tarabolana
Azo vakiana?
TOKAN-TENA
Ny sigara izao no solon'olotiana
Tsy miala eo imolony
Dia tavoangy koa no hondana hatoriany
Tsy miala ao andohany
Io ny vavany io efa hihitatra
Izay omenao laniny
Toaka roa na telo litatra
Izay ilay solon-dranomaniny
Ilay feony nibetroka
Tsy sitrapony akory
Ritra ilay setroka
Fanalany sorisory
N'iza ianao lalovany
Mifitsaka avy hatrany
Raha mahita ny salovany
Izy tsy hitia intsony
Fa naleony tokan-tena
Ho an'ny toaka sy rongony
Ny Aloka Tarabolana
Sokajy :
Kolontsaina
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Aloka Tarabolana

Nampiditra : Ny Aloka Tarabolana
Daty : 01/08/2018
Mpamangy : 1000
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Iny Tarabolana iny no hiaJAMALA
AZO... Azonao
HAMPIANARO AHO Tompo รด!
FAHALEOVANTENA Ady mafa
MILOFO IANAO Mahantra a
MITSIRIRITRA IHANY!! Az