Vavaka ho an'i Dada. (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka ho an"i Dada.

Iangaviko ianao ry tompo
Halavao ny androm-piainany
Esory eo aminy ny jaly sy izay rehetra itarainany
Iriko ianao hamafa ireo rofy sy ireo aretiny
Iriko ianao hanala ireo fijaliana entiny.

Tiko ny andro androany fa natokana ho azy
Iriko koa ny ampitso mba ho azy hatrany hatrany
ny andro rehetra mitsy no iriako ho azy ihany

Enga anie ry tompo ny momba azy rehetra
mba hiangaranao ka hiavaka aminay
Enga koa anie ireo faniriana sy hetaheta
homenao azy anio,homenao mandrakizay....

Tena tia anay izy iny ary nanabe tokoa
koa aza omena tsiny izahay
Raha izy no "ANDRIAMANITRAY FAHAROA"
Dia mankasitraka ry ray amin'ny fihainoana ny hatakay tsy hafenina
Mankasitraka idrindra ........"AMEN".

Ny Ami
--------
Rohy:
7014 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 27/06/2015 13:11)
hoanareo mbola manana dada ie fa efa betsaka koa no kamboty e
NYAMI ( 22/07/2015 12:00)
misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 21/06/2015 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102