Ho an'ny Gasikara (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy!!!

Tsy afeniko fa Gasy aho fiteny,
Eny Gasy Ray sy Reny
Gasy hatramin'ny Razambe,
Gasy fomba sy fandeha.

Gasy tsy mba menatra,mijory tsy mba kivy
Sahy mitrerona ny enjana maneho ilay tena izy,
Tsy miafinkafin-toetra
fa miaritra ny fetra.

Gasy aho tsy hanenenako
Ka na kely hoe ny tenako
Ny soratro tsy takatra
Misoka sy manakatra
Ny hatsaran'ny Gasy!!!

Gasy aho nateraka ho an'ny Gasikara
Ka na fandrika na bala
Tsy hahasakana ny peniko
hifantina ny teniko
Hitady fahasambarana,
ho kitro fifaharana.

Gasy aho poeta dia sahy mametaveta,
Fa ratsy ny mpitondra
karakaina sady mondra
Tsy ahitana vokatsoa
Fa mosarena avokoa

Fa gasy koa aho ka mba manenina
fa misy ireo miseho ho be marenina
Tsy mihaino anay fa Gasy
ka mahasahy manambam-basy!!!

Fa Gasy aho e!gasy fomba sy fiteny........
Eny gasy Ray sy Reny......................

Gasy aho maniry mba ho tafa.....
.....tsy hoe hitady zavatra hafa
Fa.... mba manofinofy atoandro
ka miandrandra ilay masoadro.

Mikatsaka fiadanana
Hitady fampiavanana!!!
--------
Rohy:
1624 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 14/08/2015 14:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102