INY FELANA INY - NY Andri-Fara
Azo vakiana?
INY FELANA INY
Androany tsy nampoiziko
Ny hifanatri-tava aminao.
ka sanganehana ny foko...
Ny hilaza ny ato am-poko
kanefa vahotra ny vavako
Mangovitra ny tanako.
Toa vinitra sy tezitra
Hitako amin'ny endrikao...*
Nahoana anefa raha lazaina,
hoe tsy tia , dia samy vita.
Ambarao fa izay rehetra...
na tsy tanteraka
Tsy maninona! Avelao
kanefa izao no fiangaviana
Arivo iny Felam-boninkazo
izay nomeko omaly hariva...
Izay dia ampy
ka aza asiana teny intsony na arahan-dranomaso
Ny Andri-Fara
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : NY Andri-Fara
Nampiditra : RaphaDaty : 15/02/2006
Mpamangy : 1270
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FO MIRAYIANAO NO TIAKO
TSY RARINY
MANDRAM-PAHOVIANA!
RASOUELLAH
MISY VE NY FAHAFAHANA
REHEFA EO IANAO
NA RINDRA
IANAO
AVELAO