RY FIRENEKO (NY Andri-Fara)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Fireneko

Onena anao ny foko
Rehefa injao mahita fijaliana
ho an'ny mpiray tanindrazana
Noana sy mijaly
miraoka fakofako
toratorana etsy sy eroa
mitady izay anjarany
kanefa lazaina fa Malagasy kamo!
Nahoana hoy ianao?
Ny mpitondra be lazao
manambara fa tafita
aiza izany! tsy efa vita ve anjara
5 taona izay no lasa
fahoriana no manjaka
sahia ianao lazao ny marina.


Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
2204 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107