Fiononana - Ny Asy Camille
Ngidimpiainako mazàna ny manembona ireo lasa
sy fahiny sesehena izay mandrotika mandrasa
ny atisaiko bobongolo
mafaitra tsiro mampihivina ary tena mankalao
ny mitanisa an\'eritreritra ireo fandavanao
ny fiainako tontolo
Fa lokondanitra toy ny inona no nambabo anao kokoa ?
tsikitsiky mba ahoana ? sa hirahira ngadontempompo ?
sao dia efa fahazarana ny miovaova ankany ?
.... aza miherika intsony fa izaho mbola hitomany!
Hevitra mandeha
tsikikely (01/04/2004 09:59:18)
hoatra ny naka tahaka an'i Rado angamba ny mpanoratra ny amin'ilay andalana farany. Diso ve aho ?
fiaritiana (09/02/2006 09:43:50)
tena tsara ange izy izany e! tiako be, indrisy moa zany fa dé mionona sisa, mahereza e!
dé ny hitiavako azy koa anarako io titreio, tsara e!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Asy Camille
Nampiditra : camkzDaty : 26/03/2004
Mpamangy : 2473
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
tsikyAry raha averina ?