Asakasakareo - Ny Avana Ramanantoanina
Azo vakiana?
Asakasakareo
Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.
Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga,
Fa asakasakareo tsy mba tonga.
Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!
Jononoka ny erika an'ala,
Patrapatraka ilay patrakala,
Fenofeno ny lavi-malala.
Dinidinika sisa lazaina,
Hafatrafatra anao sombinaina:
Hontsahontsa fa mani-maraina.
Ny Avana Ramanantoanina
Hevitra mandeha
z'andrygasy (12/06/2015 05:17:55)
Mahafinaritra ny tononkalo saingy maro diso tsipelina, tsy ampy ihany koa
z'andrygasy (12/06/2015 05:18:01)
Mahafinaritra ny tononkalo saingy maro diso tsipelina, tsy ampy ihany koa
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina

Nampiditra : pissoa
Daty : 12/03/2006
Mpamangy : 11271
Mankafy : 7
Tononkalo hafa
Midona moramoraHiram-betsovetso
FANAHY MAMOLIVOLY
" AHOANA RY FOKO ? "
Tsarovy
Ny lehilahy
SAMBO
SAROTRA AMBARA
Resa-panahy
Alahelo Iaraha-Manana