SAROTRA AMBARA (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry,
isika olombelona anisan'izany
ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry,
asainy mitsiky ary mitomany.


Imbetika isika dia faly dia faly,
omen-kasambarana, soa sy mirindra,
Mbetika kosa, indrisy ! Mijaly,
toa latsaka lalina, lalina indrindra.


Misento ny saina : injao manontany :
mba inona indrindra no anton'izany ?
moa ve fitiavany sa fitsapàna,
'ty nofo malemy ka sorisoreny ?


Mangina, mangina, mangina, ry foko :
ny tendrin'ny Avo ka zavatra tsara :
anio ravoravo, ampitso toloko,
ny anton'izany ka sarotra ambara.
--------
Rohy:
7423 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105