Asa aloha raha haiko (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina aho nandahatra
Ireo antotan’isa
Ary dia namantatra
Sy namisavisa
firy isanjaton’ny fitiavako tokoa
no efa lasanao ?

Dia nandresy lahatra
ity tenako hiarina
Fa nangatsiaka loatra
ilay toerana nanjahatra
tsy itodihanao !

narafitro ireo teny ,
natambatro ireo fihetsika …
ny saiko toa manjeny
mandefa eritreritra. ...

Dia niezaka aho nandinika
Fa toa voahilikilika

dia lasana ny saiko
asa aloha raha haiko
fa sarotra vonoina
ilay tambitambinao
toa tsaroako foana
ireo tokinao farany , manjary toa tadidy
na efa tsapako aza, fa hivadika mangidy

dia lasana ny saiko
asa aloha raha haiko
ny hamafa ny tsiaroko
tsy hitodika aminao raha sendra mifanena,
moa hiavona sa hiondrika ?
sa hiarahaba anao mba ho marim- pahendrena ?

Ny zavatra angatahako
sy tena iangaviako
amin’Ilay Mahefa
dia hery mba hafahako
miatrika ity fiainako, tsy hirefarefa
Ny Eja
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - fitiavana
3089 2
Hevitra mandeha
ikotofatsora ( 24/07/2005 15:41)
Mafy tokoa izany ry Ny Eja nefa na izany aza kivy fa ho manga foana io lanitra io satria mantsy any ho any izaho namorona akany ato am-poko mba ho anao na lavitra aza tsy mandao .
Tena manana aingam-panahy tsy ananan'ny rehetra ianao ka ankasitrahako avokoa ny tononkalo nosoratanao
Misaotra e
nyeja ( 25/07/2005 06:52)
mankasitraka indrindra ry ikotofatsora a, misaotra anao manokana aho satria dia tena mankahery ahy ny teny omenao sy ny fanarahanao ireo tononkaloko
bizz
ny eja
bozzy ( 09/04/2006 17:46)
TENA MANME HERY AHY TOKOA IO TONOKALONAO IO RY EJA FA MISAOTRAA BETSAKA NAMORON AZY TOA FANTATRAO NY NANJO AHY MISAOTRA DIA MAHEREZA E
bitaka ( 23/06/2006 11:14)
tsy possible kosa aloha hoe 100% e!
nyeja ( 03/01/2007 07:21)
misaotra ry bozzy a zany ve tena mahafinaritra ahy mahafantatra fa nisy olona mba nakaherezin'ireo tononkalo keliko !
nyeja ( 03/01/2007 07:22)
bitaka a tena mafy be tokoa fa izao na 50% aza efa tafarina dia efa tsara zay a
endrehina ( 14/04/2007 11:32)
anisan'ny sedra efa nolalovako ny ambaran'ny tononkalonao ry ny eja mpakafy aho ary efa mba tafarina fa misaotra betsaka mampahery .tohizo foana fa za vonona hankafy e!
nyeja ( 11/01/2008 02:42)
misaotra indrindra ry endrehina an
felandefona ( 03/07/2009 08:44)
mampahery ilay tononkalo ...raha olona efa voa tahaka anay no mamaky an'io dia voaarina izy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114