Dia nisy... - ny eja
Azo vakiana?
Dia misy ny tsy misy
Ifohazan’ireo mason’ny
Fanahy avenavenan’
Embona sy tsiahy
Dia misy ny tsy hita
Miezaka mampita
Ny sarotra afenina
... Sarotra tenenina
Tena misy re ry lahy
Ny Mpamohafoha fanahy
Isentoako ... tsy indrisy
Ilay indray andron’i Parisy
Hajaina, Ny Eja, Ny Kanto, Fredy Jaofera
Jardin de luxembourg , Parisy 22/05/05
"ho fahatsiarovana ny fiarahana tany zaridainan'ny Luxembourg , indreo mpinamana poety eto serasera entin'ny aingam-panahy any amin'ny habaky ny nofy," manoroka mamy anareo aho ry namako: ny kanto, Freddy Jaofera, ary i Hajaina .
Hevitra mandeha
nyeja (23/06/2005 12:32:24)
izany ny poety efa miainga any ho any !
Ny Eja
NyKanto (24/06/2005 13:25:35)
Mahavita mahadingana ny efitry ny lasa ny tononkalom-pahatsiarovana toy itony ... dia toa azo tohofana avy aminy ny hanitry ny lasa, mamohafoha fahatsiarovana eh!!!
Mendrika ho tsaroana ilay fihaonana iny.
Mankalaza anareo namana rehetra!
Ny Kanto.
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 23/06/2005
Mpamangy : 1784
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao