You are here: home > Vetso

Fanahy Mendrika - ny eja

Azo vakiana?

Tsy  ny  bikanao  sy ny endrika
Niangalian'Ilay Nahary
No sarobidinao voamariko
Fa ilay fanahinao mendrika
Tsotra  ka miharihary
Tsy aritro ka nasongadiko.

Ny fitsikinao baliaka
Tiako ery mba  hotahafina
Miampy ilay fomba fijery
Miavaka tsy miafinafina

Dia feno ilay fahendrenao
Ny tontolo raha  mitafa
Sady ilay  firesakao
Mahintsy  tsy  mba mihafahafa

Tsy  mahagaga aho  raha sondriana
Nanakorisa indray ilay  peniko
Fa henik'ilay fifaliana
Ny ao  anaty fa  tsy  afeniko !

Ny Eja (08/07/2007)

Hevitra mandeha

DRZK (19/07/2007 19:43:47)

Marina izany ! Iza tokoa moa no tsy ho faly raha feno hatsarana toy izany ilay tiana ? Mahereza Ny Eja a ! Ankafiziko hatrany ny asa-soratrao

nyeja (31/07/2007 05:47:32)

misaotra betsaka an
biz Ny Eja namanao

Hametraka hevitra

Midira aloha