Ilay domoina sahisahy! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako tsara, ilay andro izay
niandrasanay anao,
ilay vahiny kely
ho tonga ato aminay
olom-baovao !
fa efa tsindrin-daona ery ny mpianakavy
dodona te hihaona,
rahoviana ianao no ho avy ?

fa nony vao maraina, iny tonga avy any
domoina kely izay,
nisidina ambany
dia niditra an-trano
ka nihoraka ny ankizy, « avia ange tazano »

ny nahagaga anay
indrindra tamin’izay
dia ity fahasahiany
misangy anay sy dada
ho toy ny olo-tiany
sy fantany ela be
ka iretsy zokinao,
finaritra ery
fa tiany koa ange !


fa afaka roa andro
teo ho eo angaha
tsy hita ilay Domoina
domoina sahisahy
satria io andro io,
no tonga teto an-tany
ilay zanako malala
i Solonomenjanahary.

fa ny fahagagana, tsy mbola voavaliko
sy mbola misitery, eny hatramin’izao
dia io domoina io, indrindra sombinaiko
namaritra ilay toetra sy fombafombanao!
faly lalandava, ary be fitiavana
tia hantahanta, tsy manadino havana

ka asa re ry aiko,
izay anton’izany
ny zavatra antenaiko
indrindra eto an-tany
Dia ny « haharetanao »
tsy hamela hangatsiaka
ny maha malagasy
izay reharehantsika

satria ny talenta izay voizinao
dia tena hafakely, tiavo sy hajao
tsy tongatonga foana
ary tsy zava-poana.
hoy mama....
Ny Eja 2001

araka ny fitantaran'ny reniny ary narindrany ho tononkalo


nalaina tao amin'ny Site Officiel Ny Eja www.nyeja.new.fr
























--------------------------------------------------------------------------------
Sehatra
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2581 3
Hevitra mandeha
zakilinina ( 16/11/2004 11:03)
Tononkira ity fa tsy tononkalo. Mety ho azo atao lahatsoratra ihany koa.
andriary ( 16/11/2004 15:00)
tantara ihany koa fa misy aingam-panahy sarotra takarina ny tiany aseho....
zakilinina ( 17/11/2004 23:37)
Angano angano arira arira angamba.
Na ilay tantara mitohy amin'ny iray sy dimy.
yonikafopl ( 18/11/2004 22:10)
ataoko kosa fa tsy angano io fa tantara e!!!
tena mahafinaritra ka! fa manao ahoana tokoa moa ny toetran'ny domoina ry ny eja? mora fanahy sady tsy miavona am-po mou??
nyeja ( 19/11/2004 05:42)
misaotra ry andriary a , nanome hevitra mahafinaritra, tantara marina izy io fa tsy angano , ny toetran'ny domoina ry yonikafopl dia mora fanahy araka ny voalazanao, tsy miavona tahaka anao koa e ! mankasitraka hatrany an !.
Ny Eja
totty ( 29/06/2005 21:58)
tena maha babo fo ilay izy
rhina ( 12/09/2009 15:04)
mila anao ho reny d mety ho takatro ny heviny eto izao fa tena sarobidy izany sombiniana zany sy ny mety ho fanirinao aminy raha atrizay ....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01