Ilay toaka nosotroiny (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TOAKA NOSOTROINY

Fa toa hoe tsy nantenainy
Ity figadon’ny adin-tsainy
Ka notohofany tsy nihamba
Zava-pisotro mety hiampanga
Ny hakiviana feno fatrany
Mba odin’ilay fo maratrany
Satria tsy tantiny intsony…..
….. dia toaka no sotroiny.

Nantenainy mihitsy angamba
Fa hameno ilay banga
Mangotana nozakainy
Izay mila haningotra ny ainy
Ity fisotro nofidiany
Sitrany ialana tsiny
Nefa inona no teo
Toa vao mainka nankaleo
Sy nankaloiloy azy
Toa nampitombo indray ny sazy
Satria tsy zakany tokony
Ilay toaka nosotroiny !


Fa isaky ny hanarin-tena
Dia mironjona mivena
Ka nakorain’ireo mpandalo
Ity fihetsiny efa mamo
Ireo toa tsy mahalala akory
Fa ilay fony anie ka ory
Hay tsy nanaja azy itony
Mba hoe toaka nosotroiny !

Ary efa nihalefy
Ilay hamamoana tsy voafefy
Ilay adintsaina hohadinoiny
Hay moa tsy nisinda akory !
Dia tsy nanindroa intsony
Ilay ... toaka nosotroiny.

NyEja (2001
--------
Rohy:
Sokajy : vaovao
1906 2
Mpakafy: nyeja - Roddy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015