Izany ka poeta ! (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta ianao leroa!
Poeta ianao matoa,mbola sahy mitanisa
Sedra maro alin-kisa, ao an'tononkalonao
Tsy tambazana ohatrinona, raha mizara ny am-ponao

Poeta ianao satria, na soratra na sary!
Dia mbola vitanao, angonina an'diary
Matetika indraindray, ilaozan'olontiana
Kanefa dia mijoro, ho poeta tsy mangina

Izany poeta izany,, tsy andrasana ho dizina
Fa manoratsora-poana, ny ainga tsy nampoizina
Foroninao tsianjery, ireo ho avy vao kinasa
Kanefa koa tsy very, fa angoninao ny lasa!

Izany ka poeta, tsy hadino fa tsaroana
Ireny soratrao ireny, mitoetra foana foana
Ireo marĂ tra am-po, mbola vitanao mitony
Poeta ianao leroa, tsy hety hiova intsony!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202