Natahorako(...) ho very t (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natahorako(...)
ho very tamin'ny ora sy fotoana
Lay endrikao...voalentika mafy orina ato am-poko
Natahorako(...)
Ho tonga hadinodino foana
Ilay notehiriziko,efa ela...ka tsy foiko

Mamikitra ny vatako
ny tsiaro anao mazàna
Ny maso te hahita...mitaky koa ny saina
Ny fo zay mahatsiaro
tsy tambazana karàma
Ny sentosento lava;...mandreraka ny aina

Tsy mbola tiako hivalonalay( tiko ianao fahiny)
Tsy tiako koa ho levona, izany fahatsiarovako
Fa mbola iriko hitohy iny lalantsika iny
Zay nandalovanao...iriko handalovako

Mitoetra antsaiko foana,lay endrikao ,zay kanto
Tsy tiko ilaozan'ela, fa tena be mpifidy
Ny masonao voatakon' ilam-bolonao milanto
Tsy hety tontan'ny ela... fa mbola ho saro-bidy

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
613 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099