Aleoko ihany izao (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe foana lay fitiavako,zay efa tsara orina
Tsy lefy tao ambavako ny anaranao tononina
Kanefa aoka ihany,hionona mangina
Aleoko ihany izao na tsy mananan'olon-tiana

Tsy ianao nisakana, tsy izaho noraràna
Tsy sanatria nitsipa-dakana avy niampitàna
Kanefa aoka izao ,na ory sy tomany
Aleoko ny irery tsy misy anao ihany

Tsy hoe ianao nilaza fa tofoka tsy mila
Tsy ilay fitiavantsika forehitra sy kila
Kanefa aoka ihany(...)hitoetra manirery
Aleoko tsy maninona na mahatsiaro ho very

Tsy hoe tsy azo avaozina ilay fitiavantsika
Tsy sarotra afanaina koa raha sendra mangatsiaka
Kanefa aoka ihany(...)Raha mbola hifandratra
Avelako hianjera ianao fa sao ho loza mihatra

Tsy hoe nalàky rava lay dinam-pitiavako
Tsy langolangon-dresaka fa tiko ianao rahavako
Kanefa aoka ihany,(...) Aleo mba ho dila
Aleo ho potika any, fa feno filafila

Tsy hoe ny foko mihidy, ka sarotra sokafana
Fa efa miha-tsapako ny tianao hahatongavana
Ka aleoko ihany zao(...)na dia ho tokan-tena
Raha toa izao no lahatra,tsy maintsy ho ekena

Ny ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1165 2
Hevitra mandeha
ikalamako ( 15/12/2020 18:56)
ary misy anankiroa ity tononkalo ity kay fa misy fasahamihafany !!!
Taitra aho nihaino ilay iray fa nataoko dia diso ny noantsaiko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148