TAKORITSIKA (any DAGO any...) (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina ialahy,
aza miseho ho sahisahy
Fa ahy aloha izao ny fahefana.
Raha izaho ialahy manaja tena
dia ampirimo am-paosy any
izay hindrahindran´ialahy fa fitiavam-pirenena;
ny an´ialahy hadalana.
Tsy hain´ialahy angaha
f´izaho ambonin´ny lalána?
(Hoy ireo izay tsy lazaiko)



Dia miforitra,
na aza efa mijaly, marary
maty voaporiporitra.
Izay izaho tokoa ve?
z´inona tokoa no ndeha hitono tena
amin´ny afom-pamoretan´iretsy lehibe?
Ho zava-maty izany raha tsy misy fahagagana,
k´izaho aza ity izany ambanin´ny lalána.
(Hoy ireo izay tsy teneniko).



Eisy e! hiafio eo ny anareo,
fa izaho tena efa leo.
Aleoko indray aloha hangala-tahaka an´ingahy Pilato,
hanasa tanana madio
dia tsy hitankosinkosina
amin´io raharaha io
fa hanamafy loha sy hody hanao fo vato.
Tsy misy hiraraiko izay lalána any,
tsy hiasako saina akory izany firenena izany;
Fa ny ahy, izao ihany:
Mihinana ny vavako,
dia mirana ny tavako!
(Hoy ireo izay tsy hambarako).



NY HARIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
2461 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 03/11/2012 15:34)

...izaho mba toa an'ialahy;
satria ny tolon'ny sakaiza,
dia tolona tsy fantatro fa tolon'olomboky
ny hany 'zay mba fantatro, sy tolona fitaiza
ny kiboko no voky.
...tsy hery fa fanahy!

Mankasitraka eh, dradrao tsara!
nyhariaina ( 05/11/2012 10:04)
Raha noana koa any hono ny vatana ka mivezivezy ny fanahy...

Mankatelina e
nannie ( 07/11/2012 05:48)
Voalaza ato daholo ny sokajintsika rehetra. Misaotra.
nyhariaina ( 08/11/2012 09:24)
Tsy misy fisaorana e! tsy dia hoe ny rehetra fa ny ambangovangony fotsiny, hi3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 03/11/2012 08:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112