Fitia sur net...! (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala angamba aho hoy ianao,
Nanankim-po vetivety,
tamin\'ilay randram-bao,
dia ilay fitia sur net.

Nefa izao no tena tsapako;
tena tia aho , tia tanteraka;
tia ilay olona tsy fantatro;
nantenaiko ho dokoterako.

Hay ilay gasy izay toa ahy;
toa hamitaka ahy indray,
Ka hampiombo indray sahady
Ilay ratrako am-panahy.

Nefa tsy kivy aho fa hanantena;
fa mbola hisy iray mba hety;
hanome ahy famonjena;
amin\'ilay fitia sur net.
--------
Rohy:
2904 0
Hevitra mandeha
Nakely ( 08/04/2004 14:45)
Tsara ka ! tohizo indray hoe
Nakely ( 08/04/2004 14:46)
Tsara ka ! tohizo indray hoe
nikopol ( 21/08/2004 17:12)
Hay va re?
hery ( 22/08/2004 16:38)
Nisy ny nahazo tena fitia sur net... fa tsy azo ajanona sur net fa tonga dia tsy nety
yonikafopl ( 30/08/2004 13:46)
Inoako fa misy izany ry hery raha toa ka tena matotra ilay olona roa , fa misy ange olona tena mandainga ao e!!!!!
maeva74 ( 05/04/2010 00:20)
Ilay fitiavana tsy hita maso ! Tena misy tokoa io fitia sur net io sa ahoana moa ra-Hery hihihih . Mankasitraka ny mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098