Ho an'i neny (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho manoratra;
Ho an'ilay tsara indrindra eto an-tany;
Androany aho hamoaka ;
Ny aingam-panahiko rehetra any anatiko any;
Androany no hamaritako ;
Ilay fitia tsy nila tambiny;
Androany aho hanoratra ,
Ho an'ilay antsoiko hoe neny.

Neny:
Ianao no voahary tsara indrindra;
Nahay nitia da dia tao anaty jaly;
Nahay namafa ireo ranomaso sy tomany;
Nampahery raha sendra fahoriana;
Dia ianao ilay reny tiako,
Ilay hany tokako eto an-tany.

Neny:
Ianao no nampianatra ahy namindra;
Ianao no nampianatra ahy nitia,
Nanoro lalana ahy, ho tsara toa anao;
Nandefitra ny ditra sy adalako indrindra
Namerina ahy raha sendra ka nania.

Neny:
Ianao no fitaratry ny fiainako;
Ianao no ilay hany tokana,
Nahay nandray ny fitarainako;
Ianao ilay reny tsara indrindra eto an-tany,
Ilay reny tokana,andrin'ny fiainako.;
Dia ianao ry neny, ianao ilay fitiavako.
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - tsara - fitiavana
11827 2
Hevitra mandeha
vetsoko ( 15/12/2004 21:45)
marina izany,ny fitiavan'i neny tsy mba mamitaka,tsy azo soloina toy ny olon-tiana
mampahery an'ise
yonikafopl ( 15/12/2004 22:21)
hafa ihany ny fitiavan'i neny, fitia tsisy fitaka, fa fitia tena mamy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097