Ianao. (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao io izay ho tiaviko;
ary antenaiko fa ho aviko;
Irariako ho famonjena;
Fa tsy ho be fahalemena.


Izaho anie tsy hilalao;
Na hisangisangy anao;
Fa fitia tena matotra;
Amin'ny mora sy amin'ny sarotra.


Ka mba hono ho aho ry tiako;
Izay iriako ho fifaliako;
Ho tena izy ve ianao;
Sa hivahiny dia handao???


Enga anie ka tsy ho izany;
Ireo tokinao tsy ho lany mamy;
Na aiza na aiza misy ahy;
Ny foko efa anao ka aza manahy.


Ireo fiainako taloha;
Hohadinoiko avokoa;
Ny saiko no aoka hitanisa;
Ny ho avintsika paradisa.


Mino aho ry malala;
fa ianao koa tsy hisalasala;
Hankamamy ny fitiavako;
Ka hanaiky hio rain'ireo zanako.
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana - fanantenana
2910 0
Hevitra mandeha
chipie1 ( 15/12/2004 18:32)
hummm tsara an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143