Izaho efa tia anao (Ny Hasina Heritiana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handray ny peniko aho
Hanoratra ho anao
Satria toa mila hitroatra
Ny foko anatiko ao

Nataoko ho sangisangy
Ilay resatsika iny
Kanjo aho tsy tafandry
Ka aza omenao tsiny

Haiko fa ho sarotra
Ny hanatanteraka azy
Nefa... ny foko tsy niahotra
Fa tia anao sahady

Na ny elanelan-tany
Na ny fiainako amin'izao
Izany rehetra izany
Aza ataonao mahakivy
F'izaho efa tia anao

LB 02/04/2010 . 18h50
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4611 1
Hevitra mandeha
maeva74 ( 05/04/2010 00:36)
Mankasitraka e!
fanasina7 ( 08/06/2011 19:26)
eee!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132