Izaho ve no tsy mahay mitia? (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ve no tsy mahay mitia;
sa ianao no sarotra tiavina?

Nataoko avokoa izay rehetra tianao;
nomeko avokoa izay rehetra nilainao;
Najaiko ianao , notiaviko tanteraka;
Saingy indrisy izany toa nahatonga anao ho reraka;

Izaho ve no tsy mahay mitia ;
sa ianao no sarotra tiavina?

Indraindray aho manontany tena;
Ataoko ahoana no anehoana ilay fitiavako?
Nefa izaho mba manana fahalemena;
mety ho resy anoloanao rahavako;

Izaho ve no tsy mahay mitia;
sa ianao no sarotra tiavina?
... Nefa tsarovy fa ho doria;
Ilay foko efa lasanao rahavana.

08/04/04
--------
Rohy:
3792 1
Mpakafy: atmos
Hevitra mandeha
tsie ( 30/08/2004 07:36)
rehefa tena tia olona ianao dia jamba tanteraka ary na fangirifiriana toa inona ataony aminao zakanao foana ary tsy foinao izy! efa nihatra tamiko zany fa zao tsy maintsy ho avy ny fotoana hahatongavany orapifaliana aminao ka mahareta aza kivy @ zany fa lalany fiainana zany ! ary rehefa tena tojo ny tinao ianao tsy tsaroanao intsony zany rehetra zany! mahereza lalandava!
yonikafopl ( 30/08/2004 13:41)
misaotra anao tsie mampahery hatrany.aleo angaha atao hoe izay tia adala!!!!!!!!
maeva74 ( 05/04/2010 00:34)
Izay ilay tena fitia mampijaly mampahia .Mankasitraka foana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104