Mbola tia (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampaninona ahy ireo ratra navelanao;
Ka nahatonga ny fanaintainako rehetra;
na ny foko nivoa-dra, voatsindronao;
Dia tiako ho fantatrao fa...
Ny fitiavcako anao mbola mitoetra.


Na im-piry ianao nandao;
ka namela ahy ho irery;
Dia aoka ho fantatrao;
Fa ilay endrikao hitoetra;
ho fahatsiarovana tsy ho very.


Na mitanondrika aza aho;
Satria tsy eto anilako ianao
dia mbola tiako ho fantatrao;
fa hosaronako avokoa ;
ireo ratsy vitanao,
Satria tia aho ;mbola tia anao.


Na tsy tia ahy intsony ianao,
na koa minia manadino;
satria sambatra eo anilany;
dia tiako ho fantatrao
fa ny fitiavako anao ;
dia fitia tena madio;
Fitia tsy miandry valiny.
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana - Fitiavana
2963 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 26/08/2004 07:17)
mahereza r'ise fa lalam-pitiavana tsy- maintsy aleha ny tsiky sy alahelo izay ataoko hoe "Saosim-pitia" na Epice d'amour somary hafahafa nefa raha dinihina io tononkaloko io dia iainan'ny maro tokoa saingy tsy tsapany

R.JO
yonikafopl ( 27/08/2004 02:21)
Misaotra anao Malalason @ fampaherezana.
Voavakiko tokoa io tononkalonao io, raha toa ange ka manao io fa tsy misy hafa mahavariana any ambadika any tsy olana e!!! nefa matetika dia izay no mitranga . Asa aloha???
nyeja ( 28/08/2004 13:09)
ny aingam-panahy dia misy tokoa !! mankahery anao hatrany e aza kivy fa mbola ho avy ilay maraina !.
yonikafopl ( 28/08/2004 16:26)
misaotra an'i nyeja nampahery, eny mbola ho avy tokoa ny maraina.
nyeja ( 29/08/2004 12:24)
dia ilay maraina
andrandraina
hanamboarana ny saina
satria maraina tsy vidina
hivimbina aina , fifaliana !
Ny Eja
yonikafopl ( 29/08/2004 19:11)
ny eja misaotra foana!!!!!!
tsie ( 30/08/2004 07:33)
aza kivy fa lalampitiavana daholo zany ary tsy ianao irery nge no tojo ny tahaka izany fa maro e! mampahery lalandava aza kivy! mitraka foana foana fa ny valiny ranomaso nge ka fifaliana e! mahereza
yonikafopl ( 30/08/2004 13:24)
marina izany ry tsie, ary dia misaotra mampahery .
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01