Safidy!!! (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao mpamaky;
No mba maka ny toerako;
Dia asaiko mba mifidy;
Izay ho andry ianteherako.

Moa ve tarehy amam-bika;
Izay manaitra ny masonao;
Na koa harena tsy hita isa;
No mba ho safidiano?

Sa ilay toetra ao anaty;
Fitia vokatry ny fo;
Izay tsy manana ahiahy ;
Fa tena tia tia tokoa?

Rakoto no ilay bogosy;
Saingy miriaria tsy tana;
Diso tia vehivavy loatra;
Sady fetsy no malama.

Rabe kosa ilay tso- piaina;
Vonona hanolotra ny fitiavany;
Tarehy sy bika tsy hananany;
Fa izy vonona hampiadana.

Ka raha ianao no misafidy;
Iza no mba ekenao;
Hiara-hiatrika ny ho avy;
Ho rain'ireo zanakao;
....Rakoto sa Rabe???
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1376 0
Hevitra mandeha
bichette ( 16/09/2004 07:10)
euh.... !!!!! Rabe a 51% Rakoto 49%
yonikafopl ( 24/09/2004 13:44)
hummmm!!!
atmos ( 19/10/2004 18:45)
Ka tsy fanahy inian'ny sasany ange no bôgôsy e! Nefa koa tsy ny bôgôsy rehetra no malama, hihihihi. Rabe ange vonona hampiadana fa mbola tsy hay zay havoakany avy eo e!
yonikafopl ( 28/10/2004 17:19)
zany ve ry atmos????
aleo kalou sainina tsara ka!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102