ANDRANDRAM-PAHAFAHANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRANDRAM-PAHAFAHANA

Iny kintana iny
Mbola antenaiko hitondra fahazavana;
Izay mangirifiry
Ho maim-pery, ho sitrana, ho salama.

Fa i Gasikarako
Hasandratro ho avo ho lany olom-positra;
Tsy maintsy hisasarako,
Hitady indray ny marina somary efa vositra.

Folo enina nitamba-niverenam-pandresena,
Folo enina nitamba-tsaritsarim-pahafahana;
Tsy mbola tazako aloha izany fahaleovantena
Fa fanjanahan-tsaina izao no mbola mibahana.

Tsy ho kivy anefa akory, sanatria raha izany,
Vonona aho hiady ho anao re ry taniko;
Manantena tsiky hanaromana tomany,
Hiasa hanaary hatsapana ireo vinaniko.

NY H. 25/06/2020
Fez Morocco.
--------
Rohy:
414 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101