AZA AVELA HISERANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA HISERANA

Tsy vao androany inoako fa fantatrao
Tsy vao androany fa tany am-piandohana;
Tsy vao androany fa hatrizay no tsapanao
ilay fitia nitsiry ka tsy haiko norarana.

Segondra iray monja nifampitopy taminao,
Nampidobodoboka ity foko tato anaty;
Te hamboraka sy hivoady teo imasonao
ilay fitia feno iriko mandramaty...

Noezahiko notazomina sao tsy hifanojo,
Noezahiko nokobonina sao tsy ho tanteraka;
Tsy vitako intsony ny hilanja ity rojo
amin'izao aiko efa kely somary reradreraka.

Tiako ianao, fitia sarotra azavaina,
Tiako ka tena tiako, tsy hataoko kilalao;
Tiako eram-po no tiako eran-tsaina,
Tiako ho doria, sanatria raha ho lao.

Ilay fonao sariaka iriko mba ho ahy,
Ilay fonao madio kasaiko holalaiko;
Raha resaka fitaka aza manahy,
Fa izaho re'fa babo ho anao sombiniaiko.

Mety maro ireo tsy tia ho tonga anao hisakana,
Hanaratsiratsy, hisompatra ilay fitia;
Matokia re ahy fa aza miankanakana,
Raha ny hivadika ataoko sanatria.

Koa valio re ry tiako, aza ela intsony
Fa ity foko sasa-miandry efa te hioty felana;
Ity fitiavako miatomboka tsy hitsahatra hamony,
Ka raiso re ry "tiako" f'aza avela hiserana!

00:40'
11/09/2019
NY H.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
567 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105