BAREAN'I MADAGASIKARA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BAREAN'I MADAGASIKARA

Ela izay ny ela ka tonga ihany
Ilay fanirian-kelin-dRamalagasy;
Ka dia nanakoako naneran-tany
ilay zava-bitany tsy nihasihasy.

Sambany tokoa izao teo amin'ny tantara,
Mbola tsy nisy hatramin'izay nisiako
ilay hoe izany kitran'i Madagasikara
namelona fanahy, nanentana ny hafaliako.

Ekipa kely fa maro no nitolagaga,
Izao tontolo izao samy liana hahafantatra;
Tsy nanaiky lembenana fa nandravarava,
Kanefa ekipa kely sambany vao nisantatra.

Barea ilay anarana nentiny nisalorany,
Anarana miavaka, tsisy mpanana eran-tany;
Izay nifandona taminy tsisy natahorany,
Ny Malagasy moa nitondra am-bavaka hatrany.

Faneva Ima ilay kapiteny mpanentana
notendren'Ingahy Nicolas Dupuis mpanazatra;
Ireo mpilalao koa dia tena miara-mientana,
Tanora maherifo, tsy mora kivy fa mitraka.

Firenena maro tsy nahafantatra an'i Gasikara
talohan'ny taona sivy ambin'ny folo sy roa arivo
fa noho ny Barea dia tena nalaza tsara,
Ilay tsy namela nahazo, nampitondra tarivo.

Maro ireo olana fa ilay ekipa nijoro,
Ny fitiavana no nanosika ireo mpilalao;
Faniriany ny hateza, tsy ho mora mikoro,
Ka nomeny avokoa izay azony natao.

Ny vahoaka Malagasy no miara-ravoravo
satria niady tsy resy ity ekipa tiany;
Miezaka miarina tokoa mba tsy ho lavo,
Ho voninahim-pirenena izay tany niaviany.

Na eo aza izany dia maro ireo tsy tia,
Mitsikera isan'ora, manao teny mafy;
Dia ireo ambany fisainana ratsy doria,
Tsy tia tanindrazana sy mpampandrafy.

Koa andeha hatrany isika hiara-hirona,
Tsy hihemotra fa handroso ary tsy maintsy tafita;
Na ho vy na ho vato, andeha mivonona,
Na malama aza ny lalana, io tsy maintsy vita.

Barea, vavako aminao: Hibata fandresena
ka hiara-hiravoravo aminao ireo zava-boary;
Asehoy, asandrato ilay maitso, fotsy, mena,
Aza matahotra fa homba anao Zanahary.

#ALEFABAREA
NY HERIMAR
09/07/2019
--------
Rohy:
844 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109