FANIRIKO NY HISAMBARANAO (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIKO NY HISAMBARANAO

Raha ny fijaliako
no hasambaranao,
Avadiho 'reo fifaliako
hampientana fonao.

Raha mahita ahy malahelo
no fahasambaranao,
Eny hilaozako ny avelo
Hafoiko izay atao.

Raha izaho misitasitaka
no hasambaranao,
Ny foko izay namitsaka
hiezaka handao.

Raha izaho mamoy fo
no hasambaranao,
Eny hafoiko avokoa
izao rehetra izao.

Raha izaho manirery
no hasambaranao,
Hovonoiko tsikelikely
ilay fitia anatiko ao.

Raha izaho kivikivy
no hasambaranao,
Hozakaiko ireo mangidy
mba ho fifalianao.

Raha izaho mitoloko
no hasambaranao,
Hafeniko ao am-poko
ireo ratra vaovao.

Raha ny tsy tiavina
no hasambaranao,
Ho tonga tsy azo lavina
Arak'izay irinao.

Raha ny tsy hokarakaraiko
no hasambaranao,
Eny hoesoriko ny aiko
hahafahako tsy manao

Fa ny tena porofom-pitia,
Manaiky mora izay safidiny;
Na tiana ny hiara-dia,
Mampionon-tena tsy fidiny.

NY H.07/10/2019
22:09'
Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
734 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 08/10/2019 15:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143