FEON'NY MANINA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FEON'NY MANINA

Raha haiko angamba namindra ambony rano,
Tanio ihany aho no nitsidika tany;
Raha elanelan-kely mba vita lomano,
Tonga izao aho dia hamangy ny akany.

Indrisy ravola tsy am-pelantanana
Ka na te hody aza moa mihafy ihany;
Na manina mafy an'reo hava-namana
Tsy afa-manohatra halaviran-tany.

Isan'andro ny saina tsy tafandrimandry,
Manembona an'i dada sy neniko izay;
Fa tsisy azo atao ankoatry ny miandry,
Iaretana hatrany na dia mahamaivay.

Ry Ray Ambony Mpiahy anay iny,
Mba alao embona ity mpaniasia;
Mba afaho hetaheta re ity mpivahiny,
Miankavia sy miankavanana mba hitadia.

Ny Herimar
25/04/2021
00:33'
Maroc
--------
Rohy:
569 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152