HANINA (NY HERIMAR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANINA...

Raha vorona ny tenako na koa nanan'elatra
Tsy hanjehy ny andro intsony fa izao anio ihany
Hangorona ny laiko izay efa voavelatra
Ka hanainga haingana androany dia androany.

Efa alina maro tato ho ato izay no nifanesy
Ireto masoko roa indrisy tsy nahita tory;
Ny foko amin'izay tsy misahatra ny ho resy
Ary manangona tsy tapaka karazan-tsorisory.

Ny eritreritro tsy mitoetra fa miala ato anatiko
Mamangy ireo havako monina any alavitra any
Ny embona an'ireo olon-tiako hatreto tsy tantiko
Mankarary ny ao am-po sy mahalasa ny vinany.

Ireo tsiaro tsara toa mainka mitamberina,
Anisan'izany ireo hafaliana sy korana;
Ireo trosan'ny lasa izay mbola haterina
Mampahamanina ahy an'ilay fahatanorana.

Ry masoandro iny, avia re mba hafarako,
Ampitao amin'ireo havako ireto firarian-tsoa;
Ampahatsiahivo azy ireo ihany koa ny anarako
Ka ho raikitra ao am-pony sy hotsiaroany ihany koa.

Ilazao ny miantera ry Ikaky sy ry Neniko,
Ireo zokiko sy zandriko: veloma mbola hihaona;
Ilazao ilay malalako hitazona ilay teniko
Ka tsy ho lefy ny fitiavany ahy na ho firy taona.

Hatory aho anio alina, hiandry anao maraina
Eny am-pototry ry havoana kely ery antsinanana;
Ka manantena teny mamy ity fo karakaina,
Miandrandra valin-kafatra sy kopakopan-tanana...

NY HERIMAR
16/05/2019
15:01'
--------
Rohy:
620 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 11/09/2019 07:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156