Ho AN'I DADA MALALAKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an’i DADA MALALAKO,
Dada a
Efa kely ange sisa e,
Taona vitsivitsy de hihaona isika;
Aza mbola lasa aloha
Ny fiainantsika anie tsy ho toy ny taloha e...

Telo taona ange sisa,
De ny fianarako ho vita,
Aza mandeha ho aho
Mifohaza mitalaho…

Dada a,
Hividy fiara ange isika
Hoentintsika sy Neny mandeha mitsangatsangana
Mbola maro ireo tsy voatanisa,
Ny tranonareo mivady, hataoko tsara tsangana.

Dada a,
Tsy ho saribao intsony ange ny ho fivelomantsika,
Efa taona kely sisa de ho vita ny fianarako;
Omeo aho dada na eny iray minitra
Hanomezako ho anao izay kely mba ananako.

Dada a,
Mbola miandry anie aho, mbola miandry hatrizao,
Misasakalina izao, aho tsy mbola matory,
Miandry foana aho, miandry ilay antsonao,
Miandry ilay tsikinao mpamafa sorisory.

Dada a,
Raha tsy hifoha intsony no tena tapakao,
Zavatra tokana no angatahiko mba valio,
Moa ve tena sambatra any ho any ianao?
Tsinjovy izahay, amin'ny fahorianay anio.

Aza manahy i dada fa i Neny holalaiko,
Aza mitebiteby fa izy hokarakaraiko,
Mandria am-piadanana tahio izy ho lava andro,
Handray ny zafikelinareo vao hiseho masoandro.

Dada a, tsapako ny fitiavanao ahy, tsapanao Koa ny fitiavako anao.
Nandanianao hery aho, niaretanao mafy mba ho tafita. Tsy tantiko
ny mieritreritra hoe ianao tsy handray ny valinkasasaranao nefa
hitraka aho. Mbola eo i Neny, ahy ny fikarakarana azy. Hotohizako
ny adidy satria raha tsy ianao ry Dada, dia tsy ho toy izao aho. Raha
tany Mada tokoa moa aho dia tsy ho faty ianao. Indrisy fa
namokatra dokotera ianao nefa tsy mba afaka nitsabo anao aho.
Dada a, mino aho fa tsy kivy ianao. Hiezaka mafy aho hanatratra ny
tanjoko, na mafy aza ny tsy hahita anao intsony dia mino aho fa
hovitako izany. Ato am-poko ianao, ilay nataon'ny olona
tsinontsinona fony mbola velona saingy mahaiza dada mamela a.
Aho koa tsy hakahala an'ireo nanao ratsy taminao satria nozarinao
handeha hahitsy sy hanampy ny hafa. Ny voalohan-janako dada dia
hampitondraiko ny anaranao feno, tahio izy tsy ho folaka an-datony
fa hahazaka ny anaranao.
Mandria am-piadanana dada malalako.
Hoy ilay zanakao tsy mahafoy anao.
JEAN MARCEL RASOATAKALOSOANDRO,
11 Mai 2021. Maroc
--------
Rohy:
813 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 19/05/2021 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107