HO POROFOIKO ALOHA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOPOROFOIKO ALOHA

Nandresy lahatra ahy ity mpitoriteny iray
mba handaozako ny finoako ka hifindra any aminy;
Dia nahodiny ny saiko, novereziny indray
ka ny tenin'Andriamanitra ihany no nindraminy.

Lazainy ny finoako fa fakofakon'ota,
Lalana makany e amin'ny fahaverezana;
Dia ny fanaratsiana nataony nisosasosa,
Mba hanerena fa misy tsy fetezana.

Izahay katolika, hono, mpanompo sarivongana,
Mivavaka ihany koa amin'ny Masina Maria;
Lazainy ny finoako fa tena tsy tomombana,
Tahak'ilay kapa ery ambany faladia.

Fa ny finoany, hono, no marina indrindra,
sy lalana tokana makany amin'ny Ray,
Ao no misy lafatra sy mahay indrindra,
Tsy maintsy ho henina ilay mandrakizay.

Ka avia, hono, izaho raha te ho avotra
sy te hahazo ilay paradisa an-tany;
Fa ny finoako, hono, dia mihataka lavitra,
Ary tsy inoana fa mizotra makany...

.................................

Saingy hoy izaho misaotra anao aloha
nandany fotoana tamin'ny fanaratsiana;
Omeko ny mahereza rehefa mifoha,
Misinda amin'ity toetranao feno habibiana.

Omeo fotoana aloha hanaporofoako
hoe tena hijaly izaho raha mandao ny tany;
Dia ny marina rehetra momba ny finoako,
Rehefa maty aho handeha hamaly izany.

Rehefa maty aho hilaza aminao
ny miafina rehetra ambadikan'ity tazana;
Ka hovoriako daholo raha azoko atao,
Ireo nodimandry sy lasan-ko razana.

Hanontaniako mafy izy rehetra ireo
izay nitovy finoana sy nivavaka tamiko,
Hohadihadiako koa sao mba toreo,
no anjaran'izay mino an'ilay Andriamanitro.

Raha tsy misy porofo, izaho tsy hiova izany,
Tompoy ny anao fa ny ahy holalaiko,
Hiaretako io na ho toloko sy ho tomany,
Eny na hoesorinao mbamin'ny aiko.

Fa hoy ny tomponay: "Aza mba mitsara",
Ka izany ny ahy no tarigetram-piainako;
Tsy ho fantatro izay ho setrin'ny anjara
Ka Izy Tompo irery ny ahy no fitarainako.

NY HERIMAR
29/08/2019
11:03'
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
516 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148