IANAO INY... Any ianao a (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO INY...

Any ianao any
tantanany sy fihininy,
Lavitra tomany
Isan'andro sakambininy.

Ny momba anao tsy haiko
fa lasa tiako teny,
Dia ketraka ny saiko
fa izany tsy nekeny.

Efa an'olon-kafa
indrisy ny fitiavany;
Saingy tsy voafafa
na mby ny fandavany.

Izy hono tonga aloha
ka voafandriny ilay toerana;
Ilay fitiavako vao nifoha
tsy mba nasiany fiheverana.

Ny fo tena tia:
Tsy mora manadino;
Nofafazanao tsia,
Saingy tsy mbola mino.

Ny fitiavako azy feno Hasina,
Tsy voavidy vola eto an-tany;
Na hiaka-mbamin'ny ranomasina,
Mbola tsy hahalevona izany.

Raha toa izaho tia foana,
Tsy atao hahagaga akia izany;
Ny mikiry tsy mahanoana,
Sao ianao ho anjarako ihany.

Ka manantena anao
na anio na rahampitso;
Ilay tafo bozako ao,
Hosoloinao fanitso...

NY H. 01/11/2019
Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
584 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142