IANAO MALALA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO MALALA

Tiako ho ahy tsy hitambarako,
Tiako ho ahy hisambarako;
Tiako hokarakaraiko,
Tiako ho ahy holalaiko.

Tiako ho ahy mba hitsiako,
Tiako ho ahy hifaliako;
Tiako ho ahy tsy mba lafatra,
Tiako tena ho ahy fatratra.

Tiako ho ahy hiova toetra,
Tiako ho ahy hitomoetra;
Tiako ho ahy hiafiana,
Tiako hiaraham-pijaliana.

Tiako ho ahy tsy mba hiova,
Tiako ho fakana mpandova;
Tiako mafy hiarahan-dia,
Tiako loatra ho doria!

Tsy iza tsy iza izany,
Fa ianao malalako ihany...

NY HERIMAR
04/12/2020
--------
Rohy:
1083 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149