INY ZANADOLO INY (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ZANADOLO INY...

Notiaviko mangina hatrizay,
Nafeniko azy tsy ho fantany
ilay fo mitempo te ho iray
Indrisy mantsy fa tsy tsapany.

Noezahiko nafindra ilay fitia
mba hiantefa amin-dolo hafa
Saingy ity foko nanao tsia,
Nitahiry izany tsy ho voafafa.

Fa iny zana-dolo iny,
Maro hala mpizaha
Manahy aho ankehitriny
sao izy ho resy balam-bava.

Fa iny zanadolo iny
efa mety tsy ho ahy intsony;
Mety efa sendra izay tiany
ka aleo ity foko hitony.

Ny vavako tsy sahy
nanaboraka azy tao am-po;
Mivezivezy ny fanahy
amin'ity fitia tsy mety lo.

Lasa saro-piarotsy fidiny
mahita azy mitsiky amin'ny hafa,
Ka miaritra mafy ny ngidiny
amin'ity fitia tsy voafafa.

Lasa mitoloko ato anaty,
Mitomany irery ao am-po,
Maniry mafy ny ho faty,
kanefa atao ahoana moa.

Sendra fitia tsy anjara
Sendra fitia nitsivalana;
Asa re raha ao afara
na mba ho iray lalana.

Eny akia ry zanadolo,
Tsy ho iray lalana isika
Ka ametraho na tapa-bolo
Ho tsangambato aro ditra.

Nitia anao mangina aho,
Nitilitily anao talavitra;
Ankehitrio mirahoraho,
Marary mila alafaditra.

Na tsy ho fantatrao aza
dia tiako foana ianao iny,
Fa izaho tsy nilaza,
Mataho-tsao azon-tsiny.

Ity foko akia mirenireny,
Tsy haiko intsony ny hatao
Ka hosoratako an-teny
ilay hoe: "TIAKO IANAO..."

NY H. 04/0902019 21:25'
#Nargis_Fès_Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
475 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019 14:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159